TSO-DRANO (Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Ho an'Andriamanitra anie ny Voninahitra
Ety an-tany ka mipaka any an-danitra
Dia Azy avokoa efa hatramin'ny taloha
Dia mbola Azy indray, anio ka ho mandrakizay

REF:
Fiadanana anie sy fitahiam-be
Hitosaka aminao manomboka izao
Ho ampoky ny soa avy amin'ny Ray Tsitoha
Ka dia mifalia, Eny hoy izaho indray mifalia


2) Ny fikasana sy faniriana ao anatinao
Dia ho tanteraka tokoa raha tena mino ianao
Mahatsiaro sambatra ny zanak'Andriamanitra
Raha toa "FITIAVANA" no hataony filamatra

REF*2:
Fiadanana anie sy fitahiam-be
Hitosaka aminao manomboka izao
Ho ampoky ny soa avy amin'ny Ray Tsitoha
Ka dia mifalia, Eny hoy izaho indray mifalia

A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
Septembre 2024
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro
Vangy : 86
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Sandosantos
Daty : 06/11/2024 07:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0802