MAMELA AHO (Tarika Vonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mamela ny helony aho (2 fois)
Sitrano ny ratram-poko n'inona nataony
Na fanahy iniana
Na koa tsy nahy

Mamela ny helony aho (2 fois)
Fa sarobidy amiko Jesosy ô!
Ny famonjenao ahy

Fa izay madio am-pò ihany anie
No afaka hahita anao
Tompo lehibe
Tarihonao, harovanao ambininao amin'ny atao
Fa ny hatezeran'ny olona
Tsy hahefany izay marina
Tianao hatao ety an-tany
Voahomana hatry ny ela izay

Mamela ny helony aho (2 fois)
Sitrano ny ratram-poko n'inona nataony
Na fanahy iniana
Na koa tsy nahy

Mamela ny helony aho (2 fois)
Fa sarobidy amiko Jesosy ô!
Ny famonjenao ahy

Mamela ny helony aho Jesosy ô !
Satria tiako ianao.

Tarika Vonjy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Vonjy
Vangy : 441
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ramahdago1@gmail.com
Daty : 13/05/2023 10:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3515