You are here: home > Tononkira > Tarika Vonjy

Hiverina (Tarika Vonjy)

https://tononkira.serasera.org/hira/tarka-vonjy/hiverina

Structure(A,B,C,B,C)
   A-Efa ela hiany no niaina tety tsy nahita izay nasoa ahy
Mba nikaroka naketsy sy ery ampitony ireo ahiahy
Na mamafy be aza kely no azo, misotro anefa tao tsy mba hafapo
Tsy mety voky, na minana aza, na dia mitafy aza tsy mba mafana

   B-Maro no kivy mitanondrika sy mangetaheta toa ahy
Ny saiko koa dia nandinika fa toa karakaina ity tany
Tsiky dia ampyTsapako izao fa ao Aminao ihany, no loharano hampitony izany
Manome aina izay mitaraina, Ray รด hody aho tena reraka ny aina


C-Tsy mendrika ny hanatona Anao, ninia nandao be ny ditra natao
Tsy miafina Aminao ny fiainako mosarena sy maina tokoa
Fa raha tsy mendrika ny ho zanakao ataovy ho isan'ny mpanompo aho
Hiverina aho tena hody amin'izay, fa ao Aminao no fiadanam-po sahaza ho ahy x2

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tarika Vonjy
Mpamaky : 214
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : jesse1525
Tamin'ny : 09/12/2019 14:26:03
ID : 12279

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo