You are here: home > Tononkira > Tarika Vonjy

MARIAZY (Tarika Vonjy)

https://tononkira.serasera.org/hira/tarka-vonjy/mariazy-1

Efa taona maro no lasa
Tsy niafina ny kinasa
Fa hiara dia, hifankatia ho doria

Efa hatry ny ela ihany
No niandrasantsika izany
Indro androany isika hivoady ho iray
Ho iray

Misaotra anao ry ray
Misaotra anao tokoa izahay
Fa ny fitiavanao nampiray
Anay mandrakizay
Asandratray avo
Ny anaranao ry Tsitoha
Deraina ianao
Jehovah tomponay

Maro ny olana nosedraina
Mafy sy nila hampitaraina
Fa nisy tanam-pitiatononkira.serasera.orgvana nihazona

Indraindray tojo izay niriana
Tsy tsaroana irony hakiviana
Faly ny fo ravo tokoa mikalo
Mikalo

Misaotra anao ry Ray
Misaotra Anao tokoa izahay
Fa ny fitiavanao nampiray
Anay mandrakizay
Asandratray avo
Ny anaranao ry Tsitoha
Deraina Ianao
Jehovah Tomponay

Misaotra anao ry Ray
Misaotra anao tokoa izahay
Fa ny fitiavanao nampiray
Anay mandrakizay
Asandratray avo
Ny anaranao ry Tsitoha
Deraina Ianao
Jehovah Tomponay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tarika Vonjy
Mpamaky : 435
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : toukrth
Tamin'ny : 19/10/2018 16:40:49
ID : 11060

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo