Andriamanitra o (Tarika Ny Hasim-piderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. (*2) Andriamanitra o! Andriamanitro Ianao
Mitady Anao, mitady Anao fatratra aho
Fa mangetaheta Anao ny fanahiko
Maniry Anao ny nofoko (Ray o)
Andriamanitra o, Ianao no fialofako

Feno fahoriana raha ny fiainanay ety
Sento fijaliana, rakotr’haizina Ray o
Nefa mba ho aiza moa zahay, iza no hitarainanay
Ianao lay tsy mandao, Tompo tsy mba mahafoy anay

2. Andriamanitra o, Ianao mahalala ny hadalako
Ny heloko tsy mba miafina Aminao
Fa mihodidina ahy ireo fakam-panahy
Faingàna Ianao hanafaka ahy, Ray o
Andriamanitra o, Ianao no fiarovako

TARIKA NY HASIM-PIDERANA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Ny Hasim-piderana
Vangy : 1591
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : heryfitiavana
Daty : 07/06/2018 08:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3019