Matokia (Tarika Ny Hasim-piderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MATOKIA

1. Raha sendra mafy ny manjo
Mila ho kivy sy reraka am-po
Atrakao ny loha, andrandrao lay Tsitoha
Fa mbola ao ilay Jesoa

Raha sendra mafy ny manjo
Dia matokia mbola ao ilay Jesoa
Ou ou ou ...

2. Raha sendra ny ady sarotra
Fa toa mideza ny làlana
Antsoy Jesoa dia lazao ambarao
Fa Izy no hamonjy Anao

Raha sendra ny ady sarotra
Dia matokia f’Izy no hamonjy Anao
Ou ou ou ...

3. Raha sendra tojo ny fakam-panahy
Ka mianjera solafaka
Aza mamoy fo, mibebaha ihany koa
Fa handray ‘lay Ray be indrafo

Raha sendra tojo ny fakam-panahy
Dia matokia ilay Ray be indrafo
Ou ou ou ...

4. Raha sendra mafy ny manjo
Mila ho kivy sy reraka am-po
Atrakao ny loha, andrandrao lay Tsitoha
Fa mbola ao ilay Jesoa

Raha sendra mafy ny manjo
Dia matokia mbola ao ilay Jesoa
Ou ou ou ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Ny Hasim-piderana
Vangy : 1315
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : heryfitiavana
Daty : 05/05/2018 12:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724