Didy vaovao (Tarika Ny Hasim-piderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Didy vaovao no omeko anareo o
Ny hifankatiavanareo e
Didy vaovao no omeko anareo o
Mifankatiava namako o

Fa tahaka ny nitiavako anareo o
No hifankatiavanareo e
Izany no ahafantaran’ny olona o o
Fa mpianatry ny Tompo ianareo

Fa tsy maintsy mihavana isika
Dia aravona ireo disadisa
Ho mpanompo tsy misy tomika e
Ka hizotra amin’ilay paradisa

Raha milaza ho mpanompo ianao
Ka mijoro ho olom-baovao
Mihavàna amin’ny olon-drehetra e
Ho filamatra sy ho tarigetra

Fa tsy misy mankany amin’ny Ray
Na handova ‘lay mandrakizay
‘Zay mifamela heloka ihany e
No voavela ary koa miditra any

Raha milaza ho mpanompo ianao
Ka mijoro ho olom-baovao
Mihavàna amin’ny olon-drehetra e
Ho filamatra sy ho tarigetra


Ny hazo no vanon-ko-lakana
Ny tany naniriany no tsara
Ny fahendrena lova tsara indrindra
Ka sambatra ‘zay mamela heloka

O ry namako o (×3)
Mieritrereta f’izany no lalàn’ny Tompo anie
Mieritrereta f’izany no didin’ny Tompo anie

Ny fihavanana no tandrovy e
F’izay misaraka dia fasika e
Ny fankahalana dia alaviro re
Mifandefera f’izay no hafatra e

TARIKA NY HASIM-PIDERANA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Ny Hasim-piderana
Vangy : 1294
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : heryfitiavana
Daty : 05/05/2018 13:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723