Tsy mendrika (Tarika Ny Hasim-piderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mendrika

1. Miandrandra Anao o ry Ray, miangavy Anao hijery ahy
Raha ny hadalana na ny haditrana tsisy ahy hiantso Anao
Nefa izao anio izao, inty aho vonona ho Anao
Hiverina fa nenina 'reo natao hatrizay
Raha ny fiainanay ety maniasia
Ka manantena Anao hanarina izany dia, mba tsy hania

Fiverenana:
Tsy mendrika ny hiantso ny Anaranao anie aho
Ka mifona sy mivalo, mitalaho
Tsy mendrika ny atao hoe zanakao akory aho
Ry Tompo o meteza ianao hiaino ahy izany fitarainako

2. Afeno ny tavanao 'reo heloka sy ota natao
Havaozy hiorina Aminao ny fanahiko
Fa menatra mangahiahy nefa ianao tsy mba nandà
Maharipo, be indrafo, efa tia ahy taloha
Raha ny fiainanay ety tsy ampy fitia
Zaza mpiodina maloto molotra tsy manaja Anao, nefa Ianao 'lay tsy mandao
Fiverenana ...

Ny androko ety entiko hanompoana Anao
Ka tano aho fa tsy mahatàna Anao

Fiverenana ...
Tsy mendrika ny hiantso ny Anaranao anie aho
Ka mifona sy mivalo, mitalaho
Tsy mendrika ny atao hoe zanakao akory aho
Ry Tompo o meteza ianao hiaino ahy izany fitarainako
Izany fitarainako
Ianao no fiainako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Ny Hasim-piderana
Vangy : 851
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : heryfitiavana
Daty : 20/04/2019 12:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1517