Modia re (Tarika Ny Hasim-piderana)

https://tononkira.serasera.org/hira/tarika-ny-hasim-piderana/modia-re-1

1. O ry mpanota o o, mba sainonao anie
Fa mihelina mandalo e, zao fiainana eto izao
Jereo fa miha-hariva iny vodilanitra iny
Ka andeha miverena e fa haizin-kitroka no ao

Modia re, modia re
Fa efa sasa-miandry e lay Tompo be fitia
ModTsiky dia ampyia re, modia re
Fa miandry anao ‘lay Ray ao an-dapany ao

2. O ry mpanota o o, ho aiza iny lalanao
Fa feno fandrika sy tsilo e sy loza maro be
Ny jaly sy ny tomany no indro efa miandry anao
Ka andeha miverena e fa haizin-kitroka no ao

TARIKA NY HASIM-PIDERANA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tarika Ny Hasim-piderana
Mpamaky : 545
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : heryfitiavana
Tamin'ny : 23/05/2018 14:38:08
ID : 10621

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo