Tsy hiantso ny marina (Antoko Mpihira Taratry ny mazava)

https://tononkira.serasera.org/hira/taratry-ny-mazava/tsy-hiantso-ny-marina

1-Efa hatamin'ny ela izay
  Dia izay tinao no natao
  Nefa indrisy tsy nahasoa
  Ary koa tsy nahafapo
  Fa ny tompo hatramin'izao
  Niandry ny fahavononanao
  Koa dia nahona tokoa
  Raha anio no mba miova fo

FIV: Aza miandry ampitso ianao (miova)
      Fa jesoa sasa miandry anao (miova)
      Ka atolory azy ny fonao       (miova)
      Atolory azy izao dia izao      (miova)
      Miangavy anao aho, Aza avela andalo e!
      Izao fotoana anio izao  
      Koa mifohaza e! Ka manatona e!
      Fandrao hanenina ianao
      Raha tonga tety
      Dia hoy ny Tompo hoe
      Tsy hiantso ny marina aho
      Fa ny mpanota e! Mba hibebaka e!
      Ka vonona hiarinTsiky dia ampya ah!

2-Be ny zavatra izay miseho
   Eto amin' izao tontolo izao
   Tsara nefa dia mankaleo
   Mafinaritra izao dia zao
   Ny ampitso tsy fantatrao
   Fahoriana no miandry anao
   k'atolory azy ny fonao
   Famonjena no azo azonao

Fiv:Aza miandry ampitso ianao (miova)
      Fa jesoa sasa miandry anao (miova)
      Ka atolory azy ny fonao       (miova)
      Atolory azy izao dia izao      (miova)
      Miangavy anao aho, Aza avela andalo e!
      Izao fotoana anio izao  
      Koa mifohaza e! Ka manatona e!
      Fandrao hanenina ianao
      Raha tonga tety
      Dia hoy ny Tompo hoe
      Tsy hiantso ny marina aho
      Fa ny mpanota e! Mba hibebaka e!
      Ka vonona hiarina ah!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihira Taratry ny mazava
Mpamaky : 680
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rukbat16
Tamin'ny : 26/01/2015 17:02:53
ID : 7105

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo