Tsy avelako ho nofy (Skaiz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Skaiz - "Tsy Avelako Ho Nofy"

Ekeko hoe tsy fanambitambazana
Tsy fanerena koa ilay fitiavana
Fa mba marary ihany anie raha mba hoe fandavana
Ny valin-teny omenao ahy rahavana
Izaho efa mba manantena ihany
Hoe indray andro any hahazo teny mamy
Ny faniriako ho tanteraka ihany
Ilay hitoetra eo anilanao izany

(Izaho tsy hiala maina) ×2
Izaho tsy hiala maina hoa fa hifikirako Ô
(Ilay fonao vohaina) ×2
(Ilay fonao vohaina oa fa mba hidirako Ô)×2

Raha mba mety anie, avia ianao mba hiangaviako
Hanantanteraka an'izay mba faniriako
Raha tafalatsaka aminao aza tsy fanahy iniako
Efa miezaka nandà za fa vao mainka tiako

(Tsy avelako ho nofy) ×2
Tsy avelako ho nofy E

(Tsy avelako ho nofy) ×2
Tsy avelako ho nofy E...
Ny amintsika roa E (oay×3 oay×4)(×2)

Tsy vitako ny hanome ny lanitra
Hoe ho anao io satria izaho tsy mba Andriamanitra
Izay eo ihany fa aza mitady sarotra
Any amin'ny zavatra hafa miady varotra
Hatreto aloha ny foko izao no omeko Ô
Satria izay aloha no takatro atreto Ô
Izay mombamombanao rehetra ekeko Ô
Mba valio moa fa aza avela hisento Ô

(Izaho tsy hiala maina) ×2
Izaho tsy hiala maina oa fa hifikirako Ô
(Ilay fonao vohaina) ×2
(Ilay fonao vohaina oa fa mba hidirako Ô)×2

Raha mba mety anie, avia ianao mba hiangaviako
Hanantanteraka an'izay mba faniriako
Raha tafalatsaka aminao aza tsy fananiako
Efa miezaka nandà za fa vao mainka tiako

(Tsy avelako ho nofy) ×2
Tsy avelako ho nofy E

(Tsy avelako ho nofy) ×2
Tsy avelako ho nofy E...
Ny amintsika roa E (oay ×3 oay ×4)
Ny amintsika roa E....
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Skaiz
Visites : 5665
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : Joyo
Date : 27/06/2020 21:43
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0231