RAHA MINO HIANAO (SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Asa be dia be no efa vitan'Andriamanitra
Ho antsika ety lay zanany malalany
Hatramin'ny Aina aza nafoiny mba ho avotrao
Fa izaho sy hianao tsy mino fa miavona am-po

Raha mino hianao dia ho azonao ilay namboariny
Fiainana vaovao izay mbola tsy hitanao tety
Feno hasambarana feno fiadanana ihany koa
Honenanao ireo raha toa tsy lavinao

2- Aoka ho fantatrao fa Izy anie tsy mba manery anao
Fa manaja izay safidin'olobelona
Tsarovy anefa fa tsy misy fiadanana
Ny tsy mankatoa ilay safidin'olombelona

Miangavy anao, mitalaho anie ilay Andriamanitra
Ny mba hidiranao amim-piainan-tsambatra vaovao
Ny hahasambatra anao ny hiadananao hiany koa
Izay no kinedriny minoa izany ianao

Raha mino hianao.....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY
Vangy : 1052
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jeremiar1
Daty : 08/02/2017 08:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2333