KRISMASY TONGA PASKA (SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Raha tonga teto an-tany, ilay MesiaDia ravo avokoa izao tontolo izao
Ka velona ny Haleloia Hosana
Nandrakotra ny tany, ny hira fiderana
Nahazo fanomezana, avy any an-danitra
Nomen'Andriamanitra, dia Jesosy soa, izay tena lafatra
Fifaliana lehibe,ho an'ny olon- drahetra
Fa Mpamonjy no teraka ho antsika
Asandrato ny feo, derao ilay Mesia
Fa izao no androm-pahasoavana
Fa tonga ny Mpanavotra, hizara famonjena
Hanafaka ny migadra, sy hampitraka ireo izay mitanondrika
2- Taty aoriana indray, niova ilay fitia
K'ilay hosana teo, nanjary henjika
Homboy, homboy, ny teny re miverimberina
Izay no mba nasetry ilay fitiavana
Dia noenjehina i Kristy, voasatro-tsilo koa
Noratraina mafy ery, sy novonoina, tsy nisy hindrafo
Ka tanteraka avokoa, izay fikasan'ny Ray
Hamonjena ahy, voagejan'ota
Ka na mafy aza dia nekeny antsitra-po
Fa izay no sitraky ny Ray tsitoha
Fa vita izao ny famonjena, afaka izaho sy hianao
Nahazo fandresena, ndeha hiara hifaly sy hihira hoe:
Fiderana lehibe no atolotray ho Anao
Noho ny famonjena, azo taminao
Satria tonga nofo Hianao, nanetry tena koa
Hanavotana, anay tsy mendrika
MISAOTRA ANAO TOMPO Ô,FA VITA NY ASANAO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : SERAFIMA AMBOHIBAO TOBYVangy : 1716
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jeremiar1
Daty : 07/02/2017 10:30