ALINA MASINA (SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Alina masina alina miavaka
Feno hafaliana tokoa satria
Alim-piderana alim-pihobiana
Manerana izao tontolo izao
Henoy henoy ny feo'anjely
Henoy henoy mihira hoe
(Jesosy) jesosy teraka ho anao izao
Ao Betlehema no hitoerany izao

2-Noely masina noely miavaka
Noely andro malaza tokoa satria
Androm-piderana androm-pihobiana
Hankalazana ilay Mpanavotra
Hobio hobio ry tany
Hobio hobio ny Anarany
(Jesosy) Jesosy teraka ho anao izao
Ao Betlehema no itoerany izao

3-Avia ry olona ô! Avia ry tany ô!
Avia hitsaoka ilay Tompo Tsitoha
Satria Mpanjaka mahery Mpanjaka voatendry
Hanafaka izao tontolo izao
Derao Kristy Mpanjaka
Derao derao Jesosinao
(Jesosy) Jesosy teraka anio
Ao Betlehema no itoerany izao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY
Vangy : 644
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jeremiar1
Daty : 03/11/2021 20:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0769