sahia (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Sekoly Alahady no anarana entinay
Ny teni-masina ry Ray no ianaranay
Mpianatra izahay ka sahy manambara
Tsy ho levona mihitsy ny Filazantsara

2-Raha vonona ary ianao anio ny hiaraka aminay
Hitory sy handeha tokoa ho iraky ny Ray
Dia teny tsotra ihany no azonay hambara
Mianàra Baiboly raha mbola velon'aina
REF :
Koa sahia ankehitriny hijoro ho iraka
Hanatanteraka ny asa tsy hisy hifanilaka
Ndeha hanao mpianatra ny firenena rehetra
Fa velona sy mahery ny teninao ry Ray 'zay tsy misy fetra
   (Mat:28 / 19b - Heb : 4 /12a)
ANDRIAMIZAKA Hery Razanakoto
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : sami FJKM ITAOSY
Vangy : 45
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : feotsotrakoto
Daty : 05/03/2025 09:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1051