You are here: home > Tononkira > Olombelo Ricky

Mifona (Olombelo Ricky)

Tsy donak’afo tsisy hafanana ny any aminay e
tsy lohataona , tsy fararano ny ao aminay eh
nanota fady ny zanak’i Adama voasazin’ny Ray eh (2)

ref:  mifona aminao aho, Zanahary eh
      mifona aminao aho fa marary eh
      aza tomany aza tomany intsony ranabavy eh  (2)
      fa hifona amin ’azy any aho , hifana amin’azy any aho
      mandihiza ranabavy eh
      f’Tsiky dia ampyefra lasa ny andro ratsy eh

Feno lohataona feno fararano anay zay nahary eh!
omeo donak’afo omeo hafanana ro Zanahary eh
fa hifona aminao any aho (3)

ref:  mifona aminao aho, Zanahary eh
       ...

Ranomaso , manimba ny tany
tondra-drano , manimba ny tany
hanoanana eh , manimba ny tany
areti-mifindra , manimba ny tany
olombelona , manimba ny tany
i Adama ve no nahatonga an’izany
      

Mpihira : Olombelo Ricky
Mpamaky : 5142
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : hery
Tamin'ny : 20/05/2004 02:00:55
ID : 2421

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo