RY FOKO O! (RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Ry foko ô mangina ka mitonia
Eny fa na dia mafy ny ady ety
Henoy ny feon'i Tompo Ray 'lay be fitia
Manolotra anao ny Tanany

Ekeko fa masika 'reo 'zay tsy tia
Mikendry handavo sy hanakodia
Jesôsy anie miantso anao hoe avia
Aza matahotra fa matokia

REF:
Isaorako Anao ry Tompo tia
Izao fisedrana tena mahamay izao
Fa raha toa ka tsy nandalo izao aho
Dia tsy nahatsapa izany Herinao

Ka indro hatsangako ny tanako izao
Izaho tsy hivadika Aminao
Na misy ady mafy sady sarotra
Hanompo Anao tsy hiady varotra aho


2)Ry foko ô, mba aok'izay ny tomany
Fa fitsapana mandalo ihany
Izany no fiainana ety an-tany
Kanefa aza kivikivy izany

Fa na dia maizin-kitroka aza ny andronao
Tsy maintsy ho tonga ny maraina vao
Ka n'inona n'inona zava-mitranga
Io lanitra io tsy maintsy ho manga

REF:
Isaorako Anao ry Tompo tia
Izao fisedrana tena mahamay izao
Fa raha toa ka tsy nandalo izao aho
Dia tsy nahatsapâ izany Herinao

Ka indro atsangako ny tanako izao
Izaho tsy hivadika Aminao
Na misy ady mafy sady sarotra
Hanompo Anao tsy hiady varotra aho


A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Rohy:
Hevitra
Sandosantos ( 22/05/2023 12:58)
SVM RF Bemasoandro Itaosy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY
Vangy : 214
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Sandosantos
Daty : 22/05/2023 12:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072