MIFALIA RY TANORA (Rantsana Fanantenana Bemasoandro Itaosy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry tanora namako ô,Mifalia fa andronao izao,
Mifalia
1. Mifalia, 'falia
Mifalia ianao ry tanora
Mifalia fa andronao izao
Ataovy izay tokony hatao
Asehoy fa tsara
Fa tsara tokoa ny hatanoràna
Eny mibaliaka ny hazavana
Hanananao koa ny hafanana
Kanefa saino diniho tsara
'zay vita rehetra anie tantara
Ka sao dia hanenina any am-para
Ka aleo ihany manao ny tsara
(Fa) Ny toetra sy ireo zava-bita
Tsy maintsy mbola hitsarana atsika
2. Ka dieny izao
Diniho izay tokony atao
Tandremo, tandremo ny hadalàna
ialao ialao, ny filibàna
Ny tsara indindra
Ny miara-dia miara-mamindra
Ka manolo-tena ho an'i Tompo
Ary tena vonona hanompo
Satria saino diniho tsara
'zay vita rehetra anie tantara
Ka sao dia hanenina any am-para
Ka aleo ihany manao ny tsara
(Fa) Ny toetra sy ireo zava-bita
Tsy maintsy mbola hitsarana atsika
RAP:
Ry zatovo mifalia, nefa sainosaino tsara
Izay vitanao tety dia voarakitra tantara
Na izaho na ianao eny isika rehetra izao
Dia handalo fitsaràna ka hatsaharo ny hadalàna
Na mifaly aza moa dia manaova koa ny soa
Filibàna sy ny ditra, tsy misy dikany amintsika
Ny toetra sy ireo zava-bita
Tsy maintsy mbola hitsarana atsika
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Rohy:
Momba ny hira
Mpihira : Rantsana Fanantenana Bemasoandro ItaosyVangy : 249
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Sandosantos
Daty : 22/05/2023 12:49