Injay ilay feo (Ossy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Injay ilay feo,Injay ilay feo fa tonga indray
Manako hatraiza hatraiza
Hatraiza hatraiza hatrany am-pita
N'aiza n'aiza misy anao
Handrenesanao izao
Dia fantaro fa ilay feoko
Dia ilay tenako rehetra
Ilay tenako, fanahiko
Manantona ianao ilay feoko
Horontsoiko eo anilanao
Na ho haingana na ho ela
No hiràko ho anao
Dia fantaro, dia fantaro
Fa any indray andro any mbola ho avy
Ilay vintana hampiseho ny endrikao
Rahoviana kosa hono
Izany andro izany
Fantaro, izany andro izany, fantaro
Injay ilay feo
Injay ilay feo fa tonga indray
Manako hatraiza hatraiza
Hatraiza hatraiza hatrany am-pita
N'aiza n'aiza misy anao
Handrenesanao izao
Dia fantaro fa ilay feoko
Dia ilay tenako rehetra
Ilay tenako, fanahiko
Manantona ianao ilay feoko
Horontsoiko eo anilanao
A/C : Naly Rakotofiringa
La Voix De Son Maître – K-9059
--------
Rohy:
