Fiadanana hafa kely (Ny Tsanta Fitoriana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref: Fiadanana hafa kely
No omen'i Jesosy ka ekeo
Hitondra, anao tsy ho very
Ho fiainana
Koa raiso, raiso ao am-po
Raiso Jesosy Tompo soa
Hiova, hiova tokoa
Hiadana tsy manam-paharoa

1- Tano mafy ny finoana
Tsy ho voarebin'ireo fakam-panahy
Raiso Jesosy mpanafaka
Ka ho hitanao ilay fiadanana

Ref:...

2- Fiadanana ho anareo
Hoy ny Tompo tamin'ny mpianany
K'aza kivy na koa mitoreo
Fa fiadanana no eo aminy

A/C: Andrianandrasana Mbola Mahenina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Tsanta Fitoriana
Vangy : 840
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ramah17
Daty : 09/09/2019 15:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718