VOLAN ' NY KAMBOTY (Ny Railovy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iny volana iny
Tazanay manarangarana eo
Itambaram-betsovetso
Hafaliana sy tomany,

Volana mitranga
Eo am-baravarakelinay
Tsy hitafana fifaliana
Fa mamoha ny fahoriana.

Any ho any anefa
’Zao rehtra izao mahita anao e !
Volana o ! Lazao, lazao !
Fa ny eto mitalaho,

Efa ampy izay
Ilaozy ny varavaranay
Avelao ho maizina eo
Ny torimasokelinay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Railovy
Vangy : 7221
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ravo
Daty : 06/04/2003 12:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0758