Romy (Ny Railovy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa nilatsaham-baratra aho, nadray ny taratasinaoNilaza fa tsy tsara intsony ny hiarahako aminao
Ny maso foana no manganohano mivontirika e !
Romy !
Ny molotro aza maina kina, sina sy mangahiahy
Niverina namaky fanindroany, toa adala anie aho
Tsy nety nino fa tinapaka, sy saraka aman-taho
Nivezivezy toy ny ravina entin’ ny tadio anie aho
Romy !
Tsy nisy tanjona mba ifaharako hahay
Romy o ! Romy tiako indrindra
Mangaina anie ’ty izahon manjahatra sy mitakiky
Tsy ambany aho anefa ka hitalao,
Fa aleoko vaky fo torovana sy manjokaiky
Toa nilatsham-baratra aho, nandray ny taratasinao
Nikasa hila resaka mitokana aminao anie aho
Tsy Zanahary anefa ianao ka hoe :
Hitomaniako indray...
Romy !
Hozakaiko samirery ihany re ny fahoriako
Ny Railovy
Rabe Samuel (Bessa) - 1965
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ny RailovyVangy : 17200
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Raivo
Daty : 02/01/2006 11:26