You are here: home > Tononkira > Ny Mpitory

Impiry (Ny Mpitory)

Impiry

Impiry impiry ianao no efa nanantena
Hahazo vonjy amin'ny Mpamonjinao
Anefa toa lavitra ny famonjena
Ka hakiviana indray no mameno ny fonao

Aza kivy aoreno mafy ny finoana
Aza atsahatra tohizo ny fitalahoana
tononkira.serasera.orgAza reraka raha tsy mandre 'lay feo manohina
Inty aho, mety aho
Ho aminao izay irianao
Tongava aminao izay tianao

Impiry impiry ianao no lavo fa najoro
Anefa indro nidaraboka indray
Marefo loatra ny finoana ka hikoro
Indro misy vahaolana iray.

Mpihira : Ny Mpitory
Mpamaky : 53
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : nalliravahatriniarivo
Tamin'ny : 27/06/2022 07:30:04
ID : 14321

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo