Raha sitrakao (Ny Mpitory)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha sitrakao Jesoa toneo ity fo tomany
Torovandrovan-tsentosento sesilany
Tsy miafina Aminao injao fa te hitroatra
Handa ny tendrinao tsaroako ho mafy loatra
Fa ny kapoaka avy aminao tsy maintsy hosotroina
Raha azonao atao mba satriko ho soloina
Anefa ngotingoty ihany izany fa ny sitrakao
Ny sitrakao irery anie Jesoa ny atao

Ny hany iangaviako Anao Jesoa malala
Tolory hery aho mba tsy hisalasala
Fa hiantoraka eo an-tratranao no hitalaho
Sy ahaizako miatrika ny vaovao

Anefa moa avy Aminao sa avy aiza
Ity fiainana mangidy ity sakaiza
Mba tendrinao sa valin'otako tokoa
Fa toa manonjanonja efa tsy ho toa

Hifonako Aminao re Jesosy ny fahotako
Manimba fo tsy mahasoa ka hialako
Na tendrinao na valin’ota izao mianjady amiko izao
Matoky aho fa Ianao Jesoa dia tsy mba mandao

Tsy ahoako akory ny ho sambatra eto an-tany
Raha toa ka tsirom-pahotana hatrany ny any
Fa manodoka am-piandohana fa mafaitra
Ny fiafarany ka mihatra vao manaitra

Ny Mpitory
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Mpitory
Vangy : 18594
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Sissie
Daty : 18/10/2004 07:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718