You are here: home > Tononkira > Ny Menafify

Mikambana (Ny Menafify)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-menafify/mikambana-1

Mbola betsaka ireo namako toa ahy
Izay milaza fa ny azy no marina
Manindrahindra ny azy, manaratsy ny hafa
Nefa hoy ny Tompo hoe : Mikambana

Mikambana, mikambana
Fa aza misaratsaraka
Fa isika na dia maro
Tena iray ihany ao amin’ny Tompo

Miantsoantso etsy sy ero
Toa mampiztononkira.serasera.orgarazara ny efa tafaray
Raha ony iray ihany no hitana ndeha hiarady
Satria hoy ny Tompo hoe: Mikambana

Mikambana, mikambana, …

Tadidio tsara ,ataovy an-tsaina
Fa lanitra iray ihany no tanjona
Ka noho izany andeha isika hifampitantana
Satria hoy ny Tompo hoe : Mikambana

Mikambana, mikambana, ……

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Menafify
Mpamaky : 505
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Ra Pa
Tamin'ny : 11/04/2017 19:18:55
ID : 9346

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo