You are here: home > Tononkira > Ny Menafify

Aza Hodiana Tsy Heno (Ny Menafify)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-menafify/aza-hodiana-tsy-heno-1

Aza hodiana tsy heno ny antson’i Tompo e !
Aza hodiana marenina mba henoy ihany a !
Antso malefaka tsy mba mitrerona
Manambitamby anao mba hiverina
Aza hodiana tsy heno valio ny antson’i Tompo e !

Izy rahalahy tsy hamitaka anao sanatria e !
Fa hitantana anao amin’ny lalana hombana ety e !
Tsy hamela anao hiady irery na koa hianahana
Hialoha lalana anaotononkira.serasera.org  hatrany kanana
Izy ry bavy tsy hamitaka anao sanatria e !
Fa hitantana anao amin’ny lalana hombana ety e !
Tsy hamela anao hiady irery na koa hianahana
Hialoha lalana anao  hatrany kanana

Aza mba tara ianao na varimbariana e !
Aza sodoka ny rehaka mahasondriana
Sao efa kenda vao domy aho ranotra
Vaky ny sambo ka tsy afa-mitroatra
Aza hodiana tsy heno valio ny antson’i Tompo e !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Menafify
Mpamaky : 431
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Ra Pa
Tamin'ny : 10/04/2017 19:19:32
ID : 9300

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo