Izay iheverana ahy (Ny Fanilo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ry Tompo ô, izaho manaiky Anao
Amin'izay voasoritra ho ahy
Vonona aho hankato ny sitrakao
Tsy ny heriko fa amin'ny herin'ny fanahy

Fiv.: Ny fiainako ankiniko Aminao
Ny hoaviko eo ampelatananao
Ianao mahalala izay iheverana ahy
Amin'ny fo no hanekeko Anao

2. Na mety na tsy mety ny atao
Ianao mahalala izay iheverana ahy
Sakano tsy ho tanteraka sy to
Izay iriko nefa tsy mahasoa

Fiv….

Andriamanitra ô ! Tsy ho anay irery anie izany
Fa na iza na iza mandre izao hira izao
Dia ampahafantaro azy fa... “Ianao mahay izay iheverana azy dia hevitra mitondra fiadanana fa tsy loza”

3. Tsy angovitra aho, tsy hanantahotra
F'ianao jesoa toky sy hery ho ahy
Na iza hanenjika na hitsara ahy
Tsy hiemotra aho fa hijoro hanompo anao

Ny fiainako... (x2)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Fanilo
Visites : 5104
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 23/11/2020 19:25
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0725