Ary nisy mpiandry ondry (Ny Fanilo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(voninahitra ho amin'ny Avo indrindra)
(ary fiadanana ety ambony tany ho an'ny olona hankasitrahany)

ary nisy mpiandry ondry, tamin'izany tany izany
nitoetra tany an-tsaha, mba hitandrina, ny ondriny
nisy anjely anankiray nitsangana teo anilany
ny voninahitry ny Tompo namirapiratra manodidina azy

izy dia, nilaza hoe: aza matahotra (aza matahotra)
indro aho milaza teny soa mahafaly: aza matahotra (aza matahotra)
dia fifaliana lehibe ho anareooooo (aza matahotra)
ho anareo sy ny olon-drehetra

(asandrato avo ny Tompo fa tsara Izy, Ok )

voninahitra asandratra an-danitra,
ary fiadanana ety an-tany, ety an-tany
voninahitra asandratra an-danitra,
ary fiadanana ety an-tany, ety an-tany

(fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tananan'i Davida)
(dia Kristy Tompo)

(ha! ha! ha! tsara midera ny Tompo)

fahasoavana ho antsika no nidinany tety
mba hitondra famonjena ho amin'ny firenena sy ireo izay mania

izy dia, nilaza hoe: aza matahotra (aza matahotra)
indro aho milaza teny soa mahafaly: aza matahotra (aza matahotra)
dia fifaliana lehibe ho anareooooo (aza matahotra)
ho anareo sy ny olon-drehetra
ho anareo sy ny olon-drehetra
ny fitiavany tsy mba voafetra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Fanilo
Vangy : 21
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fetramaharosoa
Daty : 09/12/2025 10:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0751