ILAY TANY NIAVIAKO (Ny any aminay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Injany e ! midona any ho any e ! lahy e !
Mitrao e ! ny oram-baventy e! roy o!
Mitraotra e ! ny sento fa saingy tsindriana a !
Ny foko manembona ny any aminay

Ny foko manembona ny any aminay

2- Any ambadik’irony havoana e !
Ilay ankany nilaozana ela e ! roy o !
Ao izay i Kaky sy i Neny e ! lahy o !
Sasa-miandry ny fiverenanay

Sasa-miandry ny fiverenanay

3- Veloma e ! ry toerana nahatamana o !
F'izaho e ! hiverina hody an-tanàna
Any ho aho, any no any aminay e !
Hitahiry ity nofoko mandrakizay

Hitahiry ity nofoko mandrakizay

Tonony sy feony : RAKOTOARISOA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny any aminay
Vangy : 458
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoured
Daty : 09/03/2023 11:02
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121