Ianao zanany (Ny Antso Fiakarana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Mba fantatrao ve ? ny Rainao mitomany
Hoe mba nanao ahoana ihany ilay zanany any ho any
Nefa ianao, toa tsy miraika
Manao ny fanaon'izao tontolo izao
Tsy tsapanao ve ny Rainao tianao
Nampiasainao tamin'ny zava-tsy mahasoa
Ny lovanao, ka lanilany avokoa
Ka indro ianao, toa nihanahantra
Noho ny filibana sy ny adalana
Ny Rainao anefa miandry anao hatrany.

ref:
Fa nalahelo, nitomanin-jaly izy
Noho ianao niaretany ny hirifiry
Miandrandra fanantenana, mba hiverina Aminy
ho eo an-tratran'ihany ianao zanany

2- Noho ny ela anie ianao taty aoriana
Tonga saina nahatsapa fijaliana
Teo ianao no nahatsapa
Fa misy ilay Ray izay mbola miandry ahy
Betsaka loatra ny ota vita ka tsy sahy
Ka tapaka hevitra ihany ianao ny ho any
Rehefa nahatsapa fa hoe noana sy nijaly
Ka lasa tsy tana, toa tena maika
Na tsy ho tian'ny Raiko intsony aza aho
Kinanjo hafaliana no nitsenany ahy

pont:
Fa rehefa tazany ny zananany, Tsy nalala ny otany fahiny
Fa no fihininy anie lay tiany,Tsy nahatsapa intsony ny hirifiry

ref:
Fa toy izany anie Jesoa Kristy
Izy nijaly teo amin'ny hazo fijaliana
Miandrandra fanantenana mba hiverina aminy
ho eo an-tratran'ihany ianao zanany
Fa nalahelo, nitomanin-jaly izy
Noho ianao niaretany ny hirifiry
Miandrandra fanantenana, mba hiverina t
ho eo an-tratran'ihany ianao zanany

Lafatra RAZAFIMANDRANTO
(22-07-2019)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Antso Fiakarana
Vangy : 52
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : art%27phal
Daty : 23/07/2024 12:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0812