Voalahatrao (Ny Antsafia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo oh ny hatanorako entiko hanompoana Anao
Ka ny foko eny ny aiko dia atolotro Anao tokoa
Na mandeha aho na mitoetra tsy hisaraka Aminao
Ny androm-piainako rehetra hanambarako ny hafatrao

Satria Ianao ilay nitantana hatrizay
Ny hoaviko, eo am-pelantananao
Jesosy ô, ny havelomako efa voalahatrao
Satria Ianao ilay nitahy hatrizay
Ny heriko ampombay ny herinao
Jesoa oh, ny havelomako efa voalahatrao

Na maraina na hariva, Tompo ô iraho aho
Mba hanefa sy hamita izay rehetra efa voasoritrao
Ny Fanahy Masinao, Tompo ô hitarika ahy
Ny ràn’ny Zanakao, hanadio sy hanafaka ahy


Satria Ianao ilay nitantana hatrizay
Ny hoaviko, eo am-pelantananao
Jesosy ô, ny havelomako efa voalahatrao
Satria Ianao ilay nitahy hatrizay
Ny heriko ampombay ny herinao
Jesoa oh, ny havelomako efa voalahatrao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Antsafia
Visites : 178
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Sanda825
Date : 27/09/2025 20:27
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2085