MPIVAHINY (NY AFAKA FJKM ANKADIKELY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Ry mpivahiny variana fatratra ny eto an-tany dia tsy aharitra
fa mielina.
Mandalo ny eto
tsy ho mandrakizay fa feno sento
homany ny ho avinao dieny izao
Efa nipoitra daholo ireo famantarana
Izay manambara fa ny eto dia hifarana
tsy ho ela intsony eh e e ,
ka miomana an an an ...
Ho avy Jesosy handray handray an-tanana
Ireo izay nino tety hitohy ny fiainana
Ka ho fafany e e e ny ranomasonao

2) Tsy angataka andro aho
fa tonga dieny izao tsy hiandry intsony
fa hamaly ny antsonao , Hibebaka aho
Hitsena anao aho, amin’izay andro izay,
tsy hisy intsony ny fijaliana isika ety.

2 x fois
Toa hitako eto Jesoa ny hafaliako
hiaona isika izao hiantsampy aminao ny olonao e e e
Ny olonao an
Raha ho tsaraina aho ka hiditra ny lanitra
Ianao Jesô zokiko hisolo vava ahy
Fa nino aho e e e sy nankatoa anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY AFAKA FJKM ANKADIKELY
Vangy : 4339
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : andoez
Daty : 02/07/2012 18:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716