Tsy ho anao (MR Razafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSY HO ANAO (re)


Tsy dia ho anao ny ranomaso
Mandoto foana ny tarehiko
Tsy avy aminao irony ankaso
Mampidify indray ny hendriko
Tsy dia ianao no ho fanafody
Mety hasitrana ny feriko
Tsy ianao no hahay hampody
Ny fahasambarako efa veriko


Tsy noho ianao
No miova loko
Ny andro iainako eto an-tany
Tsy taminao, no mba tsaroako
No nandrotsahiko ny tomany
--------
Rohy:
Hevitra
ndremar ( 06/03/2018 12:29)
TSY HO ANAO (re)


Tsy dia ho anao ny ranomaso
Mandoto foana ny tarehiko
Tsy avy aminao ireny ankaso
Mampidify indray ny hehiko

Tsy dia noho ianao akory ireny
Sombon-tsento tsy hay nafenina
Koa mandehana, hoy ny teny
Mba sisa azoko tenenina

Tsy taminao ny ngidy lalina
Toa miampanga izany ratrako
Tsy ianao no nampisy alina
Maizin-kitroka tao an-tratrako

Tsy dia ianao no ho fanafody
Mety hahasitrana ny feriko
Tsy ianao no hahay hampody
Ny fahasambarako efa veriko


Tsy noho ianao no hiova loko
Ny andro iainako eto an-tany
Tsy taminao, no mba tsaroako
Ho nandrotsahiko ny tomany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MR Razafy
Vangy : 3315
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 06/08/2003 14:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723