Ny Fahasoavanao (MPIHIRA FANILO FLM Firaisankina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Tomponay izay be fitiavana anay
Ianao ry Ray no mpanome ny soa ho anay
Ary koa mamindra fo amin’ny olonao
Ka natolotrao ny fahasoavanao tokoa
Tariho re izahay mba hananan’ireo soa nomenao
Araka ny halebehan’ny fahasoavanao

Refrain:
Fa ianao ilay Ray tsy mba mandao anay izao
Fa ianao no Ray tsy mba miova
Na anio na ho mandrakizay dia izao
Fa ianao no Ray no mpamindra fo aminay 

Tahio re izahay ry Zanahary ô
Ka arovy re ireo olonao Tompo ô
Ka mafy ny ady eto amin’izao tontolo izao
Izay miseho manimban’ireo olonao tokoa
Vimbino re ity zanakao mba eo an-tratranao
Ka hamposahy ny fahasoavanao aminay

Refrain:
Fa ianao ilay Ray tsy mba mandao anay izao
Fa ianao no Ray tsy mba miova
Na anio na ho mandrakizay dia izao
Fa ianao no Ray no mpamindra fo aminay 

NY FAHASOAVANAO


A/C : RANDRIANARIJAONA Njakatiana Fabien (RNF)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MPIHIRA FANILO FLM Firaisankina
Vangy : 74
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FabienRNF
Daty : 11/02/2025 20:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1587