Mila Anao Madagasikara (MPIHIRA FANILO FLM Firaisankina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra ô! Mitalaho izahay
Arovy ny tanindrazanay
Mangataka e, ny mba hahazo
Fiandrianam-pirenena avy Aminao

Tahionao Jesosy i Madagasikara
Hiasan'ny Fanahy Masinao
Hiadana e, hifankatia
Mamelà an'ity Nosy ity

Refrain : Fa mila Anao ny firenenay
Izay anjakan'ny aizina sy fahantrana
Miangavy re ry Tompo Malala ô
Aza afoy izahay ka aza miala

Fa tena sambatra ny firenena
Manana Anao Andriamanitra
Satria Anao ny fahefana
Ety an-tany hatrany an-danitra any

Tahionao Jesosy i Madagasikara
Hiasan'ny Fanahy Masinao
Hiadana e, hifankatia
Mamelà an'ity Nosy ity

Refrain : Fa mila Anao ny firenenay
Izay anjakan'ny aizina sy fahantrana
Miangavy re ry Tompo Malala ô
Aza afoy izahay ka aza miala

A/C : RABEMANANJARA Vict'Or
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : MPIHIRA FANILO FLM Firaisankina
Visites : 269
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : FabienRNF
Date : 06/02/2025 09:26
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0891