You are here: home > Tononkira > Manafi

Henoy ny antso (Manafi)

https://tononkira.serasera.org/hira/manafi/henoy-ny-antso-1

Henoy ny antso mitaona henoy o!
Henoy fa miantefa aminao izany anio
Ny lalana diso aoka re tsy hitohy o!
Ny zotran'i Jesoa anio no fidio
Miantso anao anio lay Mpamonjy (miantso anao ilay Mpamonjy)
Ekeo ny fonao mba ho tranon'omby
Hidiran'ny tompo mpanjaka Hanala ny ota mamaka
Hamonjy anaoTsiky dia ampy tsy ho very
Miandry izy fa tsy manao an-tery

Henoy o! henoy o! ny feo miangavy
Ka hampandrosoy o! Jesoa fa miandry
Mandona ny fonao maniry hitoetra (mandona maniry hitoetra)
Halàny avokoa ny ota rehetra (Ma -ndo)
Mandona Jesoa ka henoy
Fa Izy tsy mahafoy
Ny ondry ivelan'ny vala
Ny ondry izay any ivelan'ny vala

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Manafi
Mpamaky : 669
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : havoberesaka
Tamin'ny : 18/12/2017 07:09:36
ID : 10228

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo