Faingana modia (Manafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza miandry ny andro ho hariva fa modia Faingana , modia e!
Sao dia ho tratry ny haizina ianao ka tsy ho tody
Faingana , modia e!

Avia faingana modia Miandry ny valan'ny ray
Fa ao ny tompo miandry anao nania
Faingana , andao re modia e! sao very any ianao andao re modia e! sao very any ianao

Matoa henonao izao antso izao
Tsy tian'ny tompo ny havery anao madiva hariva anie (Modia e!)
Modia ry lasa nandeha (Fa efa)
Fa efa voavidin'ny rany ianao nania
Faingana , andao re modia e! sao very any ianao andao re modia e! sao very any ianao

Dieny akaiky ny tanan'ny Tompo dia raiso , faingana , modia e !
Fa mbola miangavy mitaona ny tompo Miantso , valio anio

Ny feony miantso valio
Ny valan'ny ray hitodio
Fa ao ny tompo miandry anao nania faingana
Andao re , modia e! sao very any Andao re , modia e! sao very any ianao

Matoa henonao izao antso izao
Tsy tian'ny tompo ny havery anao
Madiva hariva anie (Modia e!)
Modia ry lasa nandeha (fa efa)
Fa efa voavidin'ny rany ianao nania
Faingana , andao re modia e! sao very any ianao andao re
Modia e! sao very any ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Manafi
Vangy : 1110
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : havoberesaka
Daty : 18/12/2017 08:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071