You are here: home > Tononkira > Manafi

MIVERENA (Manafi)

https://tononkira.serasera.org/hira/manafi/miverena-1

Ianao izay mbola variana
Miaina ao anaty haratsiana
Raha ho avy ny Tompo izao
Aiza no handraisany anao
(Ianao izay mbola variana
Miaina ao anaty haratsiana)
Ho tampoka ny fiaviany
Ny fiaviany ny Tompo
Inona no hambaranao
Raha ho hitany anaty loto

Ref:
(Ny andro sy ora tsy ho fantatsika)
Ny andro sy ora tsy fantatra
Ho tampoka fa miambena
Tsy ataonay ahakivy hanasatra
Ny miantso anao miverena e!
Miverena ry ondry nania
Miverena miverena
Miverena ianao ka modia o!
Miverena mivTsiky dia ampyerena

Dia ny misy ny fara halanenina
Dia aza manao be marenina
Fa rehefa any an-danitra ambony
Tsisy  fifonana intsony
(Dia ny misy ny fara halanenina
Dia aza manao be marenina)
Ho tampoka ny fiaviany
Ny fiaviany Tompo
Inona no hambaranao
Raha ho hitany anaty loto

Ref:
(Ny andro sy ora tsy ho fantatsika)
Ny andro sy ora tsy fantatra
Ho tampoka fa miambena
Tsy ataonay ahakivy hanasatra
Ny miantso anao miverena e!
Miverena ry ondry nania
Miverena miverena
Miverena ianao ka modia o!
Miverena miverena

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Manafi
Mpamaky : 508
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : havoberesaka
Tamin'ny : 08/11/2017 13:48:12
ID : 10128

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo