You are here: home > Tononkira > Manafi

Mba hitodio (Manafi)

https://tononkira.serasera.org/hira/manafi/mba-hitodio-1

Izaho Jesoa, mba hamindrao fo
Toy ilay jiolahy izay niara niombo taminao teo kalvary
Mba hitodio, Jesosy o! hiantrao
Ka dia vahao fa voasaringotry ny ota maro be
Hiantrao Jesoa

Tsy hiala eto intsony aho Tompo fa hiandry
Sombim-pitiavana tsy maintsy ho azoko
Avy aminao Jesosy o!
Fa tsy Ianao mihintsy no hanifika ahy
Ity tanako mba te hamikitra aminao Jesosy o!
Tsy hamelako Ianao anio

Mba hitodio, Jesosy o! hiantrao
Ka dia vahao fa voasaringotry ny ota maro bTsiky dia ampye
Hiantrao Jesoa

Ny ranao raraka iny Jesosy o!
Dia hinoko fa mba misy sombiny anjara hakasika ahy
Fantatro fa, fa tsy mbola niova
Ilay fitiavanao ka ho sahiko ny hidongy eo an-tongotrao

Tsy hiala eto intsony aho Tompo fa hiandry
Sombim-pitiavana tsy maintsy ho azoko
Avy aminao Jesosy o!
Fa tsy Ianao mihintsy no hanifika ahy
Ity tanako mba te hamikitra aminao Jesosy o!
Tsy hamelako Ianao anio

Mba hitodio, Jesosy o! hiantrao
Ka dia vahao fa voasaringotry ny ota maro be
Hiantrao Jesoa

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Manafi
Mpamaky : 759
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : havoberesaka
Tamin'ny : 09/12/2017 10:26:38
ID : 10212

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo