You are here: home > Tononkira > Manafi

Mani-te hody (Manafi)

https://tononkira.serasera.org/hira/manafi/mani-te-hody-1

Jesoa Tompo o!
Mani-te hody ambalanao ity nania
Te hiverina e!
Nirenireny sy nitety solatra
Nefa tsy tody fa dia potraka
Hiverina aho Jesosy o!
Handady hifona eo an-tongotrao

Avelao Jesoa!
Mba hitanila, hitampify akaikinao
Fa hiverinao
Na dia ho sombintsombin-toerana aza re omeo ahy dia hifaharako
Avelao aho Jesosy o!
Hisisika eo an-tongotrao

Mani-te hody any aho
Hody ambalanao
Fa ao mantsy i Jesoa no mahasambatray
Na dia ho vaingadrano kely mitete No sisa anjarako ao dia raisiko
Jesosy o! ireo tananao no tena hiroko handray Tsiky dia ampyny tanako

Jesoa Tompo o!
Mamirifiry fa mitafy tapaka
Rovi-damba aho ity
Nanody ahy ny hafanana an-tratranao sy ny lamba natafinao ahy
Hiverinao Jesosy o!
Fa ngoly loatra izany vatako

Avelao Jesoa!
Mba hitanila hitampify akaikinao
Fa hiverinao
Na dia ho sombintsombin-toerana aza re omeo ahy dia hifaharako
Avelao aho Jesosy o!
Hisisika eo an-tongotrao

Mani-te hody any aho
Hody ambalanao
Fa ao mantsy i Jesoa no mahasambatray
Na dia ho vaingadrano kely mitete No sisa anjarako ao dia raisiko
Jesosy o! ireo tananao no tena hiroko handray ny tanako

ouh.....

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Manafi
Mpamaky : 706
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : havoberesaka
Tamin'ny : 09/12/2017 10:26:10
ID : 10213

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo