Faribolana (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Olona samihafa loko , samihafa firazànana
Tsy tia mitsitokotoko fa mifandray tànana

Samy faly sy mahatsapa fa ratsy ny mizarazara
Ka aleo iray lapa mitovy zo mitovy anjara

Ireo tanana izay mifandray toa sarotra sarahana
Toa miloko ckwmmn rano iray tsy hita ho havahana

Toy ny ankizy miara milalao , toa lavitry ny olana
Jereo ireto izy  tnmyg malaina hifandao manao faribolana

Dia mihodina tsy misy fiafarany miodidina tononkira.serasera.org fitiavana
Fa tsara sy  mamy aok’izany izany hoe mifampihavana

Hadino hoe Rakoto ilay mavomavo , Rabe ilay manana
Fa samy hazoto hanandratra izany fihavanana

Jereko ny manodidina ahy toa mianjona mangarika
Antsoiko hoe ndao isika bgsaf hiray tsy misy voasarika

Fa misy ny loko tsy mety hifangaro, misy harena tsy hihavanana
Dia mitsitokotoko miala amin’ny maro ny fotsy sy ireo manana

©MAHALEO

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0656