Ianao mitady

Lohateny Ianao mitady
Nampiditra chrisramana
Tamin'ny 17/04/2006 18:25
Vangy : 760

G
Ianao mitady olona tena mafibe
D                       G
hiantoka anao amin'ny mafy
G
Hay Ianao mitady olona tena kalabe
D                G
Hiantoka sy hampitafy
G                D
Hay Ianao mitady olona feno fandeferana
C               G
Ahazahoana mampirafy
G
Hay ianao mitady olona tena mafibe
D                     G
Hanaraka anao amin'ny gafy


D
Taty, taty, taty ianao no nitonantonana
C
F'izaho, f'izaho, Izaho namaly moramora hoe:
             G                      G4  G
Any lavidavidavitr'any indray mba mitady

Any angamba misy
D                                  G
Ts'izaho velively izany bandy izany (x2)
          C                 D               G
Tsy izaho velively ny olona mazana ahavita izany



F'izaho bandy kely tsy ampy sakafo

Tsy ampy sokay

Izaho tsy mba nanana zavatra lafo

Hatramin'izay

Naleoko tsy nanana olo-nitia

Toy izay hanan-dratsy

Izaho bandy kely, kelikely sandry

Tsy mba nigafigafy



Tany, tany, tany  aho no nitonantonana

F'ianao, ianao, ianao nandroaka moramora ka

Any lavidavitra any aho mba hitady

any angamba misy

Tsy indry velively izany kala izany

Tsy indry velively no olona hiharitra anay amin'izany



LOLO Sy Ny Tariny

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2395