Hazo midoroboka (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hazo midoroboka an’izy
Teo andrefan-tanana
Tena nahatamana ny ankizy
Manome aloka

Dadaben’i dadaben’i dadabe
Dia nahita azy anie
R’izareo nifandimby nandeha
Ny hazo nijanona

Fantatr’ilay hazo daholo
Ireo Mpifankatia
Nandany ny hariva manontolo
Teo am-potony

Nisy koa ny nanao maloto
Nandalo iray minitra
Teo koa no nigogogogo
Ireo voasazy naditra

indroa:
Soa, soa tokoa
Ny hiran’ireo voronkely
Tonga namangy tsiroaroa
Tamana tsy mba mamery


Nisy lehilahy tena nangitsy
Sady toa nila vola
Izy nanapaka tsy nitsitsy
Io ilay hazo fa tola

Rantsany no nataony kitay
Ny sisa nalefa any an-tsena
Toerana maloka hatramin’izay
Nanjary tsisy jerena

indroa:
Ory, ory tokoa
Ny hiran’ireo voronkely
Lasa nikopaka tsiroaroa
Very fonenana very


Nisy lehilahy tia nivazo
Be fitiavana be
Izy no nividy ny hazo
Ataony gitara be

Dia nomeny an’ireo zazavavy
Ho namana f’izy hono handeha
Izy voatery hamika sahady
Tananany lavitra be

indroa:
Soa, soa tokoa
Ny hiran’ireo zazavavy
Ny maraina vao mifoha
Mikalo ny hiran’ilay bandy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 7707
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mirary
Daty : 17/02/2002 19:29
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2638