Hazo midoroboka

Lohateny Hazo midoroboka
Nampiditra zanmal
Tamin'ny 15/11/2007 04:53
Vangy : 566

rem      fa
Hazo midoroboka an'izy 
rem      la
Teo andrefan-tanana
rem      fa
Tena nahatamana ny ankizy
rem      la
Manome aloka


rem            sol         lab
Dadaben'i dadaben'i dadabe
                 la
Dia nahita azy anie
rem           fa
R'izareo nifandimby nandeha
rem         la
Ny hazo nijanona



Fantatr'ilay hazo daholo

Ireo Mpifankatia

Nandany ny hariva manontolo

Teo am-potony



Nisy koa ny nanao maloto

Nandalo iray minitra

Teo koa no nigogogogo

Ireo voasazy naditra



indroa:
lab  do
Soa, soa tokoa
lab      do        fa
Ny hiran'ireo voronkely
lab           fa
Tonga namangy tsiroaroa
la               rem
Namana tsy mba mamery





Nisy lehilahy tena nangitsy

Sady toa nila vola

Izy nanapaka tsy nitsitsy

Io ilay hazo fa tola



Rantsany no nataony kitay

Ny sisa nalefa any an-tsena

Toerana maloka hatramin'izay

Nanjary tsisy jerena



indroa:

Ory, ory tokoa

Ny hiran'ireo voronkely

Lasa nikopaka tsiroaroa

Very fonenana very





Nisy lehilahy tia nivazo

Be fitiavana be

Izy no nividy ny hazo

Ataony gitara be



Dia nomeny an'ireo zazavavy

Ho namana f'izy hono handeha

Izy voatery hamika sahady

Tananany lavitra be



indroa:

Soa, soa tokoa 

Ny hiran'ireo zazavavy

Ny maraina vao mifoha

Mikalo ny hiran'ilay bandy

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088