MILA FANASITRANANA (Les Adeline)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Firenena mpanota olona mavesatr’eloka
Taranaka mpanao ny ratsy zanaka mpanao ny meloka
Nafoy an’Andiamanitra ny zanak’olombelona
Tsy mahagaga raha maro ireo maty fahavelona
Tsy misy tsy marary fa feno aretina avokoa
Hatrany am-paladia ka hatrany antampon-doha
Ny tokatrano maro eny ny fiarahamonina
Marary avokoa mila fanasitranana



Ref:
Izao tontolo izao marary avokoa
Saina vatana fanahy indrindra ny fo o!
Avia Jesosy malala o! faingana hanasitrana
Fa tsy ahitana fanafody e! ty areti-mandringana

Aretina mikiky tsy ahitana fanafana
Tsy mampandamaka am-pandrina na mandreraka ny vatana o!
Fa ny fo fanahy sy saina no mahita faisana
Avia Jesosy malalako zany o! faingana hanasitrana



Aretina mikiky ny fitiava-tena
ny fitiavam-bola fitiava-karena
Aretina mikiky ny fifanaratsina
ny lolo-po miteraka fifampiandanina
Aretina mikiky ny fitsitokotokona
na ara-politika na ara-pinoana
Aretina mikiky ny fialonana
hatrany am-piasana ka hatrany am-piangonana
Ireo no aretina izay mahazo ny maty fanahy
Mikiky ny fon’olombelona na vavy na lahy e!
Tsy kely tsy lehibe tsy antitra tsy tanora
Kikisan’ireo aretin’ireo e! isan’andro isan’ora


Ref:
--------
Rohy:
Hevitra
Maiaty ( 10/03/2017 16:31)
Tsar e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Les Adeline
Vangy : 13174
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 30/12/2006 06:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073