You are here: home > Tononkira > Lalatiana

Masoandron'ny fitia (Lalatiana)

Dia nirotsaka tsy satry ny tomany,
Dona-tsetroka mijofo any ho any,
No nilaza f'efa lao, ka handao ahy ianao,
Nikopak'elatra any an-danitra vaovao..

Alina mitsilopy, manjopika
Mitanisa izany nofy  niainantsika,
Mampanembonembona ahy amin'ny andon'ny tsiahy
Mampangolika fo sy fanahy...

Taitra teo aho tononkira.serasera.orgfa nandre feonao mihomehy,
Reko mamiravira fo voarotsina hira,
Hasambaram-baovao, ho rivo-baovao,
Ando tsaran'ny maraina no anao!

Fa ny ahy ho vonoiko ny tsiahy,
Hosoloiko hirahira tsy hampanahy,
F’efa iry mipoitra iry, ilay masoandron'ny fitia,
Manafàna izany foko mba minia


Tonony : Lova Rajaofara
Feony : Albert Rajaofara

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Lalatiana
Mpamaky : 2702
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 26/08/2014 17:21:05
ID : 6684

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo