NOELIN'NY FANANTENANA (Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Faly ravo ny tany aman-danitra
Ka midera ny Tompo Jesoa
Dia Ilay zanak'Andriamanitra
Efa lasa olombelona koa
Mba hitady sy hamonjy ny very
Ny mpanota toa ahy sy ianao
Nefa Tompo mpanjaka mahery
Koa derao ary hankalazao

Refrain:
Aok'isika tsy hisy hatahotra
Ny fisalasalana fadio
Dien'izao ka aza matahotra
Manantòna ny Tompo anio ô!
Noelin'ny fanantenana
Noely fanafahan'izao
Ny gadran'ny ota vahana
Ho afak'izao sy ianao

Fa tsy misy na iray aza
Raha mbola olombelona koa
Na ireo lehibe na ny zaza
Dia samy mpanota avokoa
Nefa kosa ny famindrampony
Tena ampy dia ampy tokoa
Ka tsy hisy iray izay hafoiny
Raha mino ny Tompo Jesoa

Refrain:
Aok'isika tsy hisy hatahotra
Ny fisalasalana fadio
Dien'izao ka aza matahotra
Manantòna ny Tompo anio ô!
Noelin'ny fanantenana
Noely fanafahan'izao
Ny gadran'ny ota vahana ô!
Ho afak'izao sy ianao

Dia ho tapaka hatreo ny tady
Ny ota namatotra anao
Fa ny Tompo no efa mitady
Sy manantona antsika izao
Tsy hitady ireo olo-marina
No nidinany mba ho ety
Fa ny lavo izay te hiarina
Ary koa ireo ondry nania

Refrain:
Aok'isika tsy hisy hatahotra
Ny fisalasalana fadio
Dien'izao ka aza matahotra
Manantòna ny Tompo anio ô!
Noelin'ny fanantenana
Noely fanafahan'izao
Ny gadran'ny ota vahana
Ho afak'izao sy ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
Vangy : 468
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mialimalalanomenarazafindrazak
Daty : 29/11/2022 19:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2217