ILAY MAZAVA (Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay mazava no tonga izao
Jesosy mpamonjinao
Zanaky ny avo tonga ho anao
Derao sy ankalazao

Refrain:
O! mifalia sy mihobia
Teraka Jesosy tia
Tonga tety ilay Mesia
Ho anao no nidinany

Nafoiny ny fiandrianany
Tonga nofo tety
Lehibe tokoa ny fitiavany
Tiany satria zanany

Refrain :
O! mifalia sy mihobia...

Maniry hiditra ao am-ponao
Jesoa Kristy tomponao
Raiso ny fahasoavany
Ilay mazava ho doria

Refrain :
O! mifalia sy mihobia...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
Vangy : 286
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Alisoanarianja
Daty : 01/12/2022 13:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717