JESOSY Ô! (KT AMBATOVINAKY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
‘Reo fampianarana nampitondrainao
Tiako ho tafapaka latsaka am-po
‘Reo zay nandre anay hahazo hery
Hamoa zato heny Ny Teninao

Anefa re Jesosy ô manahy ihany aho
Fa mpanomponao tokoa nefa tsy miasa hahasoa
Fa faha-zarana mandalo avokoa
Mba namafy koa nefa tsy namoa
Mba nanao asa soa fa tsy tamin’ny fo
Omeo fahendrena hanao ny asanao
Hanompo hanaraka Anao

Ny hira zay fanao nasandratray
Mba ho fiderana Masina
Hanako fatratra hatrany andanitra Hira,toriteny sy vavaka
Anefa re Jesosy ô manahy ihany aho
Fa ny hira zay natao dia zava-poana avokoa
Fa teo i-molotra ihany hatrizao

Hira tsara sy mahafinaritra
Nefa tsy tafakatra amin’Andriamanitra
Omeo fahendrena hanao ny asanao
Hanompo hanaraka Anao

Jesosy ô
Ô, tafio hery mba hanao ny sitrakao!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KT AMBATOVINAKY
Vangy : 1505
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : aronavalona
Daty : 20/01/2017 08:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744