ORA FARANY (KT AMBATOVINAKY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy afaka manao sonia ianao,
Tsy afaka miantoka ny ampitsonao
Hoe mbola ho velon'aina eto
Ka ho tafafoha ny maraina ô!
Fa satria, ny torimasonao
Dia aloky ny fahafatesana
Fiainana anilam-pasana no eto
Ka mitafy fahalovana

Ny segondra sy minitra, ora,
Andro mbola homena anao
Anompoy an'i Jesosy,
Anompoy an'i Jesosy
Miomàna, miambena, mivavaha
Fa efa akaiky anie Izy
Mba tsy ho tampoka aminao 'Lay ora
Ora farany

Ho avy tampoka eny an-drahona
Jesoa zanak'Andriamanitra Tsitoha
Ho avy amim-boninahitra
Miaraka aminy ireo anjeliny
Vonona hitsena azy va ianao
Raha tonga ny fotoana
Sao dia toriteny farany ho anao
Izao henonao izao

Ny segondra sy minitra, ora,
Andro mbola homena anao
Anompoy an'i Jesosy,
Anompoy an'i Jesosy
Miomàna, miambena, mivavaha
Fa efa akaiky anie Izy
Mba tsy ho tampoka aminao 'Lay ora
Ora farany

Ho anao mavesatr'ota ety
Miaina ao anatin'ny famoizam-po
Tsarovy fa Jesosy tsy mandao
Ento eo Aminy hovahany ny olanao
Matokia fa ho afaka ianao
Raha manaiky ho dioviny
Miverena, manenena ianao mpanota ô!
Raiso anio ny famonjena

Ny segondra sy minitra, ora,
Andro mbola homena anao
Anompoy an'i Jesosy,
Anompoy an'i Jesosy
Miomàna, miambena, mivavaha
Fa efa akaiky anie Izy
Mba tsy ho tampoka aminao 'Lay ora
Ora farany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KT AMBATOVINAKY
Vangy : 1942
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 29/01/2020 23:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0883